Flash
Préc Suiv

Bezezike Mahabo : olona telo maty, omby 12  lasan’ny  dahalo

Bezezike Mahabo : olona telo maty, omby 12  lasan’ny  dahalo

Tamin’ny asabotsy alina mifoha alahady teo, notafihin’ny dahalo mirongo fiadiana ny fokontany Ankifiofio, kominina ambanivohitra Bezezika, ao amin’ny distrikan’i Mahabo. Variraraka  ny poabasy nataon’ireo dahalo talohan’ny nidirany ny tanàna. Natahotra ny manodidina ka nivoaka ary nanararaotra namaky valan’omby ireo dahalo. Nahita izany ilay tompon’omby ka nivoaka, ary notsenain’ireo dahalo tamin’ny tifitra ka lasa daholo ny omby. Niezaka nanara-dia ny fokonolona nefa tsy mbola nahitana valiny hatramin’izao. Araka ny vaovao azo, tsy nanampy ny vahoaka ny mpitandro filaminana any an-toerana. Ankoatra ny fatin’ilay rangahy tompon’omby, faty roa hafa no nitranga roa andro talohan’io. Niharan’ny fitsaram-bahoaka  ilay olona namono nahafaty ilay mpampiasa azy tao amin’ny fokontany Bemahasoa, mbola ao anatin’ny kaominina Bezezika ihany. Araka izany, faty roa no nitriatra tao an-toerana. Ka lasa telo ny faty ao amin’io fokontany Bezezika, ankoatra ilay omby 12 lasan’ny dahalo,.

CMS

Les commentaires sont fermées.