Flash
Préc Suiv

Tselatra

 Fiaramanidina kely voatery nidina am-panidinana tampoka, tany Kirindy Morondava ny 17 janoary teo, tokony ho tamin’ny 7 ora hariva. Natahotra ny fokonolona ary nitsoaka nampandre ny zandary. Tonga teny an-toerana ireto farany ary nahita fa fiaramanidina an’ny orinasa iray any Andavadoaka Morombe io, ary mitondra mpizahatany. Frantsay telo lahy tao anatiny izay tsy nisy naratra na iray aza. Voalaza fa maty tampoka ny milina mampandeha azy ka izay no nampilatsaka azy. Tsy afaka mihetsika intsony izy io, ary miandry ny fandravana azy, ary hotaterina aty Antananarivo.

Les commentaires sont fermées.