Flash
Préc Suiv

Toamasina : zandary nanolana ankizivavikely

Hatairana sy hatezerana ny an’ny olona rehetra efa manaraka akaiky ity fanolanana sy habibiana ary herisetra nataona zandary iray miasa eto Toamasina ity.  Ankizivavikely 11 taona zanaka polisy monina etsy Tanamborozano ity niharan’ny fanolanana ity, ny volana novambra sy desambra lasa teo fa nomen’ ny fampanoavana ambaratonga voalohany Toamasina fahafahana vonjimaika.  Ny 4 febroary ho avy izao kosa ny fotoam-pitsarana ao Toamasina. Ranomaso ihany koa ny an’ ilay niharam-boina satria raha ny fitantarany dia trerona sy fandomana latabatra no niandry azy tao amin’ny efitranon’ny mpitsara  mpanampy mpampanoa lalana eo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany azy, izay fomba tsy azo atao raha manao fanadihadiana na famotorana ankizy.  Raha tsorina, tsy voahaja eo anivon’ ity sampam-pitsarana ity mihitsy ny zon’ ankizy sy ny lalàna velona eto amintsika.

Sajo

Les commentaires sont fermées.