Flash
Préc Suiv

Voadonan’ny kamiao : tapaka ny herinaratry ny Ultima-media

Voadonan’ny kamiao : tapaka ny herinaratry ny Ultima-media

Nanadio ny faritra misy azy eny Ankorondrano ny orinasa Henri Fraise, omaly. Mampiasa fitaovana vaventy izy ireo, ka voadonan’ny kamiao tsy nahy ny andrin-jiron’ny Jirama, tokony ho tamin’ny 3 ora tolakandro. Tapaka, noho izany, ny herinaratra mamatsy orinasa maromaro, ka anisan’izany ny Ultima-media, mamokatra ny gazety Taratra sy ny Bôjy, ny Prochimad, ny SME Tribune, ny Eole, ny Henri Fraise, ny Opham, sns.

Manoloana izany, mampandre mialoha sy mametaka ny fialan-tsiny mialoha amin’ny mpamaky sy ny mpandefa dokambarotra ny Ultima-media sy ny gazety Taratra ary ny Bôjy, raha sanatria tsy mivoaka, na koa mety tsy ho tonga lafatra ny kalitaon’ny soratra sy/na sarin’ny gazety.

Miezaka amin’ny fomba rehetra hamerina amin’ny laoniny ny zava-drehetra ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny, sy hamerina haingana ny famatsiana herinaratra.

Ny Tonian’ny gazety

Les commentaires sont fermées.