Flash
Préc Suiv

Ambatomarina Manandriana : tafio-drivotra nandratra mpianatra 11, telo voa mafy

Nitrangana tafio-drivotra mahery vaika tany amin’ny kaominina Ambatomarina, distrika Manandriana, ny alatsinainy teo tokony ho tamin’ny 3 ora tolakandro. Ankizy 11 naratra ka ny telo tamin’ireo no tena voa mafy. Ny roa tamin’ireo, voatery naiditra hopitaly aty an-dRenivohitra. Naharitra 30 minitra teo io tafio-drivotra io, ary nandrava fotodrafitrasa tao amina CEG iray any an-toerana. Voalaza fa nahatratra 13 ny isan’ny lakilasy nahitam-pahasimbana tamin’izany.

Raha ny fanazavana, fotoana itrangana karazana loza voajanahary izao fotoam-pahavaratra izao. Mety hanampy trotraka izany aza ny rivodoza izay tafiditra tanteraka amin’ny vanim-potoana misy izany.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.