Flash
Préc Suiv

Polisim-pirenena : hisokatra ato ho ato ny fifaninanana

 Tafiditra ao anatin’ny politika ankapoben’ny Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka ny fampitomboana isa ny polisim-pirenena mba hahafahana mandrakotra polisy ny faritra rehetra eto amin’ny Nosy. Fantatra àry fa hisy ny fifaninanana handraisana mpianatra ho polisy amin’ity taona 2016 ity. Mpianatra ho Inspecteur de police miisa 100 sy mpianatra ho agent de police miisa 650 no horaisina. Hatao peta-drindrina tsy ho ela amin’ireo biraon’ny polisy manerana ny Nosy ny antsipiriany mikasika ity fifaninanana ity. Ireo mpiadina afaka tamin’ny fifaninanana nandraisana mpianatra ho Inspecteur sy Agent de police natao farany teo kosa dia hiditra ny 24 janoary 2016 izao any amin’ny sekoly momba ny fiofanana ho an’ny Inspecteur sy Agent de police any Antsirabe. Hisy araka izany ny fiofanana ara-miaramila miandry azy ireo mandritra ny 45 andro voalohany idirana ao amin’ny sekoly izay ilàna tanjaka sy hery ara-batana sy ara-tsaina. Mba ho fisorohana ny olana mety hiseho dia tsy maintsy miverina manao fizahana fahasalamana ireo mpiadina afaka ka mitondra « certificat medical d’aptitude » avy amin’ny dokoteram-panjakana amin’ny fidirana.

Jean Claude

Les commentaires sont fermées.