Flash
Préc Suiv

Efa nigadra indimy teny Antanimora : ramatoabe roa tratra teo am-pivarotana rongony

Efa nigadra indimy teny Antanimora : ramatoabe roa tratra teo am-pivarotana rongony

Tsy mety fay! Efa samy nofonjaina teny amin’ny fonjan’Antanimora ireto ramatoabe roa mpivarotra rongony ireto, saingy niverina nanohy ny asa ratsiny indray taorian’ny fivoahana ny fonja. Saron’ny polisy avy ao amin’ny boriborintany voalohany eo Analakely teny Tsaralalana izy roa vavy ireto, ny zoma tolakandro teo. Voalazan’ny polisy fa tratra nivarotra rongony teo akaikin’ny hotely iray lehibe eo Tsaralalana izy roa vavy tamin’io fotoana io. Mbola nahatrarana fonosan-drongony maromaro rahateo tany amin’izy ireo nandritra ny fisavana nataon’ny polisy. Matetika miverimberina ny anaran’ireto ramatoabe roa ireto nandritra ny fanadihadiana nataon’ny polisy ireo mpifoka rongony tratra teny amin’ny manodidina an’Analakely. Fantatra tamin’izany fa samy efa nigadra teny Antanimora izy roa vavy ary 10 taona nanaovana ity asa ity. Eny IVO Antohomadinika no fakan’izy ireo rongony.

J.C

Les commentaires sont fermées.