Flash
Préc Suiv

 Randrianantenaina Modeste : ”Hafainganina ny raharaham-pitsarana”

 « Fitsarana tan-dalàna no andrasan’ny vahoaka, ary fitsarana tsy mitarazoka fa mba ho haingana araka izay azo atao », hoy ny filohan’ny fitsarana tampony, Randrianantenaina Modeste, tamin’ny mpanao gazety taorian’ny lanonam-pitsarana fanombohana ny taom-pitsarana, taona 2016, teny amin’ny fitsarana an-tampony, Anosy, omaly.

Samy mba miezaka maka ny andraikitra araka ny azo atao ny tsirairay amin’ny fanafainganana ny raharaham-pitsarana. Efa nohafainganina izao ny fitsarana momba ny ady varotra. Hojerena koa ny sehatra hafa tsy maintsy anaovana ny fanafainganana ny raharaham-pitsarana, araka ny nambarany. Anisany, ny raharaha ady heloka,   ady madio, ady asa, ady tany.. Tsy maintsy hojerena izany satria andrasan’ny vahoaka, araka ny nambarany.

R. Nd.

Les commentaires sont fermées.