Flash
Préc Suiv

Misokatra ny fahazoana vatsim-pianarana

Nampahafantarin’ny masoivohon’i Etazonia sy ny English Teaching Program (ETP) ny disokafan’ny fisoratana anarana amin’ny vatsim-pianarana « English Access Microscholarship Program » amin’ity taona ity.

Mitaky ny fandraisana anjaran’ ny tanora manan-talenta 13 ka hatramin’ny 20 taona avy
amin’ny lycée tantanin’ny fanjakana ary avy amin’ny fianakaviana sahirana eto Madagasikara ny fandaharanasa. Ity fandaharanasa maharitra roa-taona ity izay vatsian’ny ny departemantam-panjakana vola. Manampy ireo tanora hanana fahaiza-manao amin’ny teny anglisy amin’ny alàlan’ny fianarana ankoatra ny ao an-dakilasy miampy « cours intensifs” ny tetikasa.

Mety hanampy azy ireo hahita asa tsara kokoa sy fanabeazana mahavelom-panantenana, ka hananany fahaizana afakahifaninana sy handray anjara amin’ireo fandaharanasa fifanakalozana sy fianarana any Etazonia  amin’ny ho avy sy ahafantatra ny kolontsaina
amerikanina sy ny soatoavina demokratika amin’ny alàaan’ny hetsika ara-kolontsaina ny fifehezana tsara ny teny anglisy.
Mitantana ny fandaharanasa English Access Microscholarship Program ary miara-miasa  amin’ny Minisiteran’ny Fanabeazana ny ETP izy amin’izany. Manana singa roa ny fandaharanasa.

Hamafisina ny fahaiza-miteny sy mihaino. Manomboka amin’ny 5 avrily 2016 ary mifarana ny 23 desambra 2017 ny fianarana. Ny saram-pianarana sy ny bokin’ny mpianatra dia tafiditra ao anatin’ny vatsim-pianarana.

Tatiana A

Fepetra takina amin’ny fisoratana anarana

Tsy maintsy manome ireto antontan-taratasy manaraka ireto ireo misoratra anarana rehetra
1. Kara-panondro na kopia nahaterahana

  1. Taratasy fanamarinana naoty avy amin’ny sekoly

3. Atotan-taratasy manamarina fa avy amin’ny fianakaviana sahirana ara-pivelomana (taratasy fanamarinana momba ny fianakaviana / taratasy fanamarinana ny maha sembana, na tsy manana mpamelona / manana zanaka maro / fanamarinana isan-taona ny vola miditra ho fianakaviana taratasy ho amin’ny Masoivohon’i Etazonia / Fanampiana avy amin’ny
fisotroan-dronono / Taratasy fisaraham-panambadian’ny ray aman-dreny);
4. Sary miisa 2, “3 x 4 pouces”
5. Lisitry ny zava-bita sy ny fahaiza-manao
6. Taratasy fanohanana avy amin’ny lehiben’ny sekoly sy avy amin’ny mpampianatra teny anglisy.

Les commentaires sont fermées.