Flash
Préc Suiv

Betioky Atsimo : telo andro tsy nisy jiro sy rano

Efa tao anatin’ny telo andro tanteraka izao, miaina amin’ny tsy fisian’ny jiro sy rano ny tanànan’i Betioky Atsimo. Simba ireo milina telo mampandeha ny jiro sy ny rano. Milina manome herinaratra sy manosika ny rano ho avy any an-tokantranon’ny tsirairay. Araka izany, mifampiankina tanteraka ny jiro sy ny rano ao amin’ny distrikan’i Betioky Atsimo. Hisy ny fanamboarana ireo milina ireo ary mety ho voavaha tsy ho ela izao olana izao, araka ny vaovao azo avy any an-toerana.

Mandra-pahavita izany, miaina ao anatin’ny haizina sy tsy mahita rano ny mponina ka velon-taraina, mijaly. Any amin’ny telo kilaometatra vao mahita rano fisotro, mampikarama ireo izay manana sarety, na mangataka rano amin’ireny olona misy vovo ireny, nefa tsy tsara sy maloto ny rano, tsy azo antoka ara-pahasalamana. Koa miantso vonjy ny mponina any an-toerana mba tsy hisian’ny loza mety haterak’izao tsy fisian-drano sy jiro izao.

CMS  

Les commentaires sont fermées.