Flash
Préc Suiv

Ivahona Betroka : dahalo anjatony nitondra basy nanafika, olona iray maty voatifitra

Ivahona Betroka : dahalo anjatony nitondra basy nanafika, olona iray maty voatifitra

Olona iray naratra, telo naratra mafy. Io no vokatry ny fanafihan-dahalo miisa 100 eo ho eo nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika, afakomaly alina tany Manolodreny, fokontany Ivahona Betroka. Araka ny loharanom-baovao voaray avy any an-toerana, omby miisa 100 an’ny raim-pianakaviana iray tao amin’ity fokontany ity no nalain’ireo dahalo ireo. Olona iray maty nandritra ny fifandonana tamin’ireo dahalo raha telo kosa naratra mafy. Nanao ny fanarahan-dia kosa ny Dinaben’ny Mangoky.

Fa olona roa koa no nataon’ny dahalo takalon’aina tany Madiorano, kaominina Manambindalana Vondrozo, ny 12 janoary 2016 teo. Dahalo maromaro nirongo basy no indray nanafika tao amin’ity tanàna ity. Omby ampolony nangalatra omby ampolony tao an-toerana. Tsy vitan’izay fa mbola naka olona roa natao takalon’aina ihany koa ireo dahalo. Tafaverina ny iray saingy maty novonoin’izy ireo kosa ny iray. Nanao fanarahan-dia ireo dahalo ny zandary avy ao amin’ny borigadin’i Vondrozo. Miaina ao anatin’ny horohoro tanteraka, araka izany ny mponina any an-toerana amin’ny afitsoky ny asan-dahalo.

J.C

Les commentaires sont fermées.