Flash
Préc Suiv

Resaky ny mpitsimpona akotry : nijoro vavolombelon’ny Filoha i Hery Rajaonarimampianina

Maniry koa raha maniry fahatonian’ny vahoaka ny Filoha Rajaonarimampianina, fomba vaovao no nanambarany ny tsy fanadinoany ny fahasahiranana mianjady amin’ny olona maro. Tsy nizahaizahay na nizahozaho ny lehilahy fa niteny toy ny vavolombelona mitatitra ny zava-pantany, raha fintinina ny voalazan’Andriamatoa Hery Rajaonarimampianina dia tsy misy miafina amin’ny Filohampirenena ny tranga rehetra misy eto amin’ny nosy, arahany maso hatramin’ny antsipiriany ary ampiasany saina andro aman’alina ny fitadiavana vahaolana sy ny fikatsahana tetika sy fanaovana asa fampandrosoana. Efa be ny vita angamba araky ny voalaza fa kely ny fiovana araky ny fahatsapan’ny be sy ny maro. Aiza ho aiza amin’izany fijery mifanipaka izany ny marina? Misy anefa hevitra ahafahan’ny roa tonta miara-dia: na kely na be no vita mbola be no miandry, na ny asa tsy maintsy iantsorohana izany na ny vokatra azo antenaina.
Tsy vitavita foana anefa izany fa mitaky ezaka eo amin’ny fanefana adidy izay samy manana ny tandrify azy. Ny mponina moa dia efa tsidrin-daona ihany efa ela tokoa izay nanindrin’ny fahasahiranana azy izay ka maika amin’ny fanamaivanana ny vesatra zakainy izy. Tazan’ny Filoha ihany koa izany fahamendimenden’ny vahoaka izany, mba ahafahana mampitovy ny tadin-dokanga dia ny fiantraikan’ny vokatra any anaty vilia no andrandrain’ny vahoaka sy ny fahitana hatsembohana mipatrapatraka fa tsy vava mipentsompentsona fampatokisana mialoha na fideran-tena aty afara. Tsy maharesy lahatra anie raha izay rakitra tsara rafitra voatonta anaty boky, ny olona anie tsy vendrana tsy ahafantatra ny mamy sitrahany sy ny hangidin’ny fangirifiriana: maro ireo mbola tsizarizary ny sakafo hohaniny, ny rehetra mbola miahiahy andro aman’alina noho ny fandriampahalemana tsy mitoetra. Rariny raha miandry fahavitrihana bebe hatrany avy amin’ny mpanatanteraka asa amin’ny ambaratonga misy azy tsirairay ny vahoaka. Marina dia marina ny voalazan’ny Filoha raha nizara ny adin-tsainy tsy misy fitsaharana noho ny fahasahiranana atrehin’ny fanjakana sy ny vahoaka. Tsy tokony ho tompon-trano mihono fotsiny koa ity farany noho izany, ka ho varimbarinan’ny fihetsiketsehan’ny mpanatanteraka sasantsasany misy anie ka tena kalita amin’ny fananganam-bovoka mitera-jofo fa tsy mamokatra na mandeha amin’izay laoniny. Na ny matsilo aza mety ho ditsok’izany.

Léo Raz

Les commentaires sont fermées.