Flash
Préc Suiv

Ivato : telo lahy navadiky ny lakana, tsy hita popoka ny fatin’ny iray

Telo indray navadiky ny lakana teny amin’ny reniranobe eny akaikin’ny tobi-miaramila Bani Ivato, omaly tolakandro. Araka ny fanazavana voaray, avy any Ambatolampy Tsimahafotsy ry zalahy ireo no nandeha hanjono teo amin’ity renirano ity. Avy tampoka anefa ny orana tamin’io fotoana io sady nihanahery ny fitsokan’ny rivotra. Nentin’ny rivotra ka nivadika avy hatrany ny lakana. Voalaza fa samy nikoropaka izy telo lahy tao anaty lakana. Avotra soa aman-tsara ny roa lahy raha mbola nifampitadiavana kosa hatry ny omaly ilay tovolahy iray. Nifanome tanana tamin’ny fikarohana ny razana ny fokonolona teny an-toerana nampian’ny mpitandro filaminana.

Tokony hitandrina, araka izany, ny rehetra amin’izao andro fahavaratra izao. Miakatra rahateo ny rano rehefa avy orana toy izao indrindra ireo eny amin’ny faritra somary iva sy manakaiky renirano.

Tsy vao izao fa efa maromaro ireo olona maty an-drano teo amin’io renirano io. Samy manana ny filazany ny olona manoloana izany. Tsy misy afa-tsy fitandremana ihany satria rehefa ho avy ny loza, patsa iray tsy omby vava, araka ny fitenenana.

J.C

Les commentaires sont fermées.