Flash
Préc Suiv

Analakely : andiana mpivarotra nitokona nidiran’ny mpanararaotra

Analakely : andiana mpivarotra nitokona nidiran’ny mpanararaotra

Nitokona nilanja sora-baventy nanodidina ny lapan’ny Tanàna sy teny Analakely teny ireo andiana mpivarotra amoron-dalana omaly antoandro.

Nitsotsoka kiririoka sady nitarika ny namany hidina an-dalambe ireo andiana mpivarotra ireo. Niezaka nandamina ny fifamoivoizana sy ireo olona ireo ny polisy kaominaly nampian’ny polisy nasionaly. Nitangorona teo anoloan’ny vavahadin’ny lapa, avy eo nitarika ireo mpivarotra sasany tsy nanaraka azy ireo. Izay tsy nanaraka na nahazo toerana nosomparan’ireo andian’olona ireo, ary nifampisintona entana mihitsy ireo. Nivadika fanakorontanana ny nataon’ireo andian’olona ireo. Nitazam-potsiny ny mpitandro filaminana nanoloana izany, tsy tazana ny Emmo/Reg, kanefa efa nanelingelina ny fifamoivoizana ireo olona ireo.

Nisy saika handroba

Andanin’izany, nisy andian’olona nanararaotra ny fanalana ireo mpivarotra amoron-dalana teny Behoririka ihany koa omaly. Araka ny fanazavana tamin’ireo olona teny an-toerana, rehefa nandalo ireo mpiasan’ny kaominina nanala ireo mpivarotra, nisy andiana tovolahy niditra tao amin’ny tsenan’ny Sinoa iray teny an-toerana. Nanao an-keriny naka entana tao izy ireo, ary lasa avy eo. Niantso ny mpitandro filaminana ny tompon’ny tsena ka tonga teny ny polisy. Ireo andian’olona tsy tratra, niandry teny ny 4×4 an’ny mpitandro filaminana. Ahina ny hiitaran’ity resaka mpivarotra amoron-dalana ity rehefa tsy misy ny vahaolana. Hatreto anefa, tsy misy izany.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.