Flash
Préc Suiv

Vazo tsy tontan’ny ela : nampatsiahy ny mampiavaka azy ny tarika Jeneraly

Vazo tsy tontan’ny ela : nampatsiahy ny mampiavaka azy ny tarika Jeneraly

Anarana tsy zovina amin’ny mpankafy zavakanto ! Nampitambolona tsiahy ho an’ny ankamaroan’ny olona niaina izany tamin’ny vanim-potoana nitsimohany sy nampiroborobo azy… Tarika Jeneraly !

Ny zoma alina teo, tetsy amin’ny Piment Café Behoririka no namerenan’ny tarika Jeneraly ireo hira tsy afaka am-bavan’ny maro. « Izany vehivavy izany », « Toaka », « Isika roa », « Françoise », « Dada vaovao », sns. Fotoana nampatsiahy avy hatrany ireo mampiavaka ity tarika ity manoloana ny hafa. Anisan’ireny ny feo mandona avy hatrany ny any anaty, tononkira tsotra, mahitsy, maneho ny zava-misy eny anivon’ny fiarahamonina. Fahaizana mifehy ny zavamaneno hifanaraka amin’ilay feo matanjaka sy mafy, kanefa ahenoana angola. Nitondra tsiahy ho an’ireo efa zokinjokiny, fa nisarika ny tanora hanongilan-tsofina.

Hita taratra hatrany ny maha vazo tsy tontan’ny ela sy tsy matahotra vanim-potoana ny sanganasan’ny tarika Jeneraly. Anisan’ny goavana indrindra amin’izany ilay aingam-panahim-pamoronana nahatafavoahana ny tononkira tsara rafitra tahaka ireny.

HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.