Flash
Préc Suiv

Tselatra

Fiaramanidina an’ny kaompania iray no nandona ny « antenne équaliseur » raha iny izy hipetraka teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ny asabotsy hariva teo. Voalaza fa lasa aloha loatra ny fipetrahany ka nandona ny “antenne équaliseur” ny kodiarana havian’ilay fiaramanidina. Vokany, vaky ny kodiarana havia aoriana. Nahitana fahasimbana ilay antenne voadonan’ny kodiarana. Tsy nisy kosa ny aina nafoy na olona naratra vokatr’izany.

Basy poleta vita gasy iray no hitan’ny zandary tany Maevatanana, ny asabotsy teo nandritra ny fanenjehana dahalo raindahiny. Nandritra ny fisafoana nataon’izy ireo no nahitana ity dahalo ity ka nitsoaka avy hatrany izy raha vantany vao nahita ireo zandary. Nanapoaka basy ny zandary, saingy tafaporitsaka ihany izy. Azo kosa ilay basy teny am-pelatananany.

Les commentaires sont fermées.