Flash
Préc Suiv

Kitra – «Chan 2016» : Elefanta (1) – (1) Ginea

Kitra – «Chan 2016» : Elefanta (1) – (1) Ginea

Ny 16 janoary ho avy izao, vao hanomboka ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra, ho an’ireo mpilalao tsy matihanina fa milalao ao amin’ny fireneny ihany “Chan 2016”. Fihaonana izay hotanterahina any Roandà. Mialoha izany, samy manoman-tena fatratra ireo firenena tsirairay voakasik’izany. Ny zoma lasa teo, niatrika lalao ara-pirahalahiana tao Johannesbourg, Afrika Atsimo, ny Syli avy any Ginea sy ny Elefantan’i Côte d’Ivoire. Nisaraka ady sahala 1 sy 1 ny roa tonta, tamin’izany. Tao anatin’ny rotsakorana ny fihaonana ka tsy dia nahitana endri-dalao loatra, ary tsy nahafahan’ireo mpanazatra namoaka ny tena fahaizan’ireo mpilalaony teny ambony kianja. Na izany aza, ry zareo Ivoarianina, no nanokatra ny isa voalohany. Isa izay nentin’ny roa tonta niala sasatra. Efa tany amin’ny minitra faha-70 kosa, vao nahasahala ny isa ny Gineanina, tamin’ny alalan’ny “penalty”, matin’i Ibrahima Sory Bangoura. Nilalao 10 kosa nefa i Ginea, taorian’io satria nahazo karatra mena Aboubacar Leo Camara, saingy tsy nampiova ny isa izany.

 Tompondaka

Les commentaires sont fermées.