Flash
Préc Suiv

By-Pass : raim-pianakaviana iray maty voahosin’ny fiara

Maty tsy tra-drano ilay raim-pianakaviana voadonan’ny fiara teny By-Pass, ny asabotsy hariva teo. Tsy avotra intsony ny ainy noho ny ratra nahazo azy. Araka ny fanazavana voaray, nandeha tamin’iny lalan’i By-Pass iny ilay raim-pianakaviana. Sendra hiampita tampoka anefa izy no somary niahotra kely. Nihazohazo teo afovoan-dalana izy ka voafaokan’ilay fiara avy hatrany. Nandeha mafy anefa ilay fiara tamin’io fotoana io ka tsy afa-niala ity raim-pianakaviana niharam-boina ity. Voa mafy teo amin’ny lohany izy ka tsy nahatsiaro tena intsony. Nentin’ny  mpamily teny amin’ny hopitaly ihany izy, saingy tsy tana intsony ny ainy noho ny ratra nahazo azy.

Toerana matetika ahitana lozam-pifamoivoizana amin’iny faritr’i By-Pass iny. Toerana isan’ny mahasarika ireo mpitsangantsangana rehefa faran’ny herinandro rahateo iny faritra iny. Eo koa ny fisian’ireo andiana tanora mifampitsapa tanjaka amin’ireny karazana fiara sy môtô maro samihafa ireny. Ny patsa iray anefa tsy omby vava rehefa ho avy ny loza ka samia mailo na ho an’ny mpandeha an-tongotra izany na ho an’ireo mandeha fiara.

J.C

Les commentaires sont fermées.