Flash
Préc Suiv

Kitra Afrikanina : lasan’i Aubameyang ny “Glo Caf Award 2015”

Kitra Afrikanina : lasan’i Aubameyang ny “Glo Caf Award 2015”

 Niova tanana ny nahazo ny amboaran’ny mpilalao mendrika indrindra aty Afrika, ho an’ny taona 2015. Ilay Gaboney, Pierre Emerick Aubameyang, milalao any Alemaina no nahazo izany.

 

Voahosotra ho mpilalao baolina kitra Afrikanina, mendrika indrindra “Glo Caf Award”,  ho an’ny taom-pilalaovana 2015, ilay Gaboney, Pierre Emerick Aubameyang. Nambara tamin’ny fomba ofisialy, ny alakamisy lasa teo, tany Abuja, Nizeria, ny fahazoany io amboara io.

Efa nampoizin’ny rehetra ny fahazoan’i Aubameyang ity amboaran’ny mpilalao mendrika ity, noho ny zava-bitany. Raha tsiahivina, mpilalao ao amin’ny Borusssia Dortmun, ny lehilahy ary anisan’ny nampiavaka azy indrindra, ny fahaizany mamono baolina, amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Alemaina na ny “Bundesliga”. Mitarika amin’ny famonoam-baolina ny tovolahy amin’izao, ary mitontaly 27 ny baolina tafidiny hatreto, amin’ireo fifaninanana rehetra mitambatra na amboara na tompondaka. Voalazan’ny manam-pahaizana fa izy no lohalaharana tsara indrindra eran-tany, amin’izao fotoana izao i Aubameyang, izay vao 26 taona monja.

Nahazo isa 143 izy, nanoloana an’ilay Ivoarianina, Ya Ya Touré, manana isa 136 ary fahatelo, ilay Ganeanina, André Ayew, nanana isa 112.

Sambany ary voalohany, no nisy mpilalao gaboney, nahazo ity “Glo Caf Award”  ity.

Narodan’i Aubameyang izany, ny toeran’i Ya Ya Touré, izay efa nahazo izany, inefatra.

 Tompondaka

Toy izao ireo nahazo loka hafa :

 Mpilalao mendrika eto Afrika : Mbwana Samatta (TP Mazembe)

Mpilalao tanora : Victor Osimhen (Ultimate Strikers Academy)

Mpilalao “espoir” : Etebo Oghenekaro (Warri Wolves FC)

Mpanazatra  : Hervé Renard

Klioban’ny taona 2015 : TP Mazembe

Ekipa vehivavy : Kameronina

Mpilalao vehivavy : Gaelle Enganamouit (Kameronina)

Mpitsara : Papa Bakary Gassama (Gambia)

Mpitantana : Abdiqani Said Arab (Somalia)

“Fair-play” : Allez Casa (Senegal)

Les commentaires sont fermées.