Flash
Préc Suiv

Fifidianana loholona : nametraka fitoriana eny amin’ny HCC ny Monima

Manao ranolava. Tafapetraka, omaly eny amin’ny HCC Ambohidahy ny fitoriana sy fitarainan’ny antoko Monima momba ny hosoka sy fihoaram-pefy tamin’ny fifidianana loholona teo. Nitondra izany ny mpisolovava, Rasoavololona Voahangy. «Novorin’ny minisitra sy ny lehiben’ny faritra ary ny sefo distrika tao amin’ny biraom-panjakana iray ireo mpifidy vaventy rehetra, nialoha ny fampielezan-kevitra ka nampisafidianana hifidy ny HVM na hosoloina PDS ireo ben’ny Tanàna. Tsy hahazo famatsiam-bola sy ny tetikasa fampandrosoana koa ireo tsy mifidy izany. Hiantohana ny saran-dalana ary homena ny ampahany aorian’ny latsa-bato », hoy ny tatitry ny mpisolovava.

Nialoha izany, nomen’ny talem-paritry ny fahasalamana any Atsimo Andrefana tambiny 100 000 Ar ireo mpifidy vaventy, araka ny nambarany. « Homena 2 hetsy Ar ianareo hatao saran-dalana aorian’ny fifidianana. Efa aty an-tanako ny fanendrena PDS ka anareo ny safidy», hoy ihany ny tatitra.

       Eo koa ny nampiasana marika samihafa amin’ny biletà tokana. « Tsy voahaja ny tsiambaratelon’ny fifidianana », hoy izy. Ho azy ireo, tsy ara-dalàna avokoa izany rehetra izany. Efa nitondra ny heviny koa ireo kandidà hafa any amin’ny faritanin’i Toliara tamin’ity herinandro ity. Tsy mifanalavitra amin’ireo avokoa ny nambaran’izy ireo.

Synèse R.   

Les commentaires sont fermées.