Flash
Préc Suiv

Fananan-tany : maimaimpoana ny famindrana ny lova

Fananan-tany : maimaimpoana ny famindrana ny lova

Eo am-pamolavolana ny fanavaozana dingana faharoa ny lalàna mikasika ny fananan-tany. Mahatsapa koa ny filoha Rajaonarimampianina fa maro ny fitarainana ary fantany ny olana amin’ity lafiny ity, toy ny fandovana ny tany, ohatra. Noho izany indrindra, nambarany fa tsy hisy ny vola aloa amin’ny famindrana ny tany amin’ny mpandova, manomboka ny volana janoary izao hatramin’ny volana jona. Voakasik’izany tsy fandoavam-bola izany ny fanaovana ny tombam-pananan’ny maty sy ny saran’ny famindrana ny tany amin’ny mpandova.

Homena ny Malagasy ny tanin’ny voanjo

Nasiany teny koa ny mikasika ireo tany midadasika, n(m)isoratra amin’ny voanjo nefa efa misy Malagasy nanajary ary an-taonany maro. Dingana roa no hatao. Averina hisoratra amin’ny fanjakana ireny tany ireny aloha, ary hafindra tompo amin’ireo Malagasy efa nanajary sy nanamaintimolaly azy an-taonany maro.  Nomarihin’ny filoha fa “tsy maintsy misy ny fampiharana ny  lalàna”.

Midika izany fa tsy tokony hisy hanararaotra an’ity fanohanan’ny fanjakana ny vahoaka maro anisa ity satria efa nitsotra ny filoha fa henony ny fitarainan’izy ireny, hatrany ambanivohitra any.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.