Flash
Préc Suiv

Ambasadaoron’i Maraoka  : « Miankina amin’ny Malagasy ny fampandrosoana an’i Madagasikara »

« Miara-manonofy isika, indray andro any: tsy mila intsony ny fiombonambe iraisam-pirenena ny vahoaka malagasy izay manana ny fahaleovantenany sy ny fiandrianam-pireneny. Tsy hiankin-doha sy hiantehitra amin’ny fanampiana ny any ivelany. »

Io no nambaran’ny solontenan’ny masoivoho vahiny, ny ambasadaoron’i Maraoka, Mohammed Amar, teny Iavoloha, omaly. Miankina amin’ny Malagasy ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Hatramin’ny nahatongavany, tsy mitsaha-mamaky sy mandre izy hoe fiombonambe iraisam-pirenena, mpamatsy vola, Tahirim-bola eoropeanina ho amin’ny fampandrosoana…

Tsy fampiasa firy any Maraoka ireo teny ireo. Tsotra ny antony: i Maraoka, atosiky ny mpanjaka Mohammed VI, nitarika ho amin’ny fomba rehetra sy nandrisika amin’izay azo atao rehetra, malalaka amin’ny safidy izay hiara-miasa, indrindra amin’ny fiarovana ny fahaleovantena sy ny fiandrianam-pirenena.      

Miantehitra amin’ny heriny sy ny hareny ary ny fahaiza-manaony i Maraoka, mialoha ny fanampiana sy ny fanotronan’ny hafa. Manomana ny tontolon’ny ilaina hahazoana mandrisika ireo mpandraharaha hampiasa vola any an-toerana.

Tonga saina amin’ny fahalalana ny zava-misy ny Maraokanina fa tsy miankina amin’ny fampiasam-bola avy any ivelany ny fampandrosoana, ny fampitomboana sy fanatsarana ny fari-piainana. Miankina amin’ny hoaviny sy ny ezaka ataony izany, fanoloran-tena sy fahavononana mba hanatrarana ny tanjona.        

R. Nd.

Les commentaires sont fermées.