Flash
Préc Suiv

Toliara : manao antso fanairana momba ny fifidianana ny Fitiba

Toliara : manao antso fanairana momba ny fifidianana ny Fitiba

 « Mampaneno lakolosy izahay manoloana ny tranga niseho tamin’ny fifidianana loholona farany teo. Tsy mpanohitra ny fitondrana izahay, saingy miantso ny raiamandreny eto amin’ny firenena,  ny filoha, ny praiminisitra, ny Ceni ary ny HCC mba hijery izany », hoy ny kandidàn’ny Fitiba, Nakany Charly, omaly tetsy Ankorondrano, nanoloana ny mpanao gazety. Notanisainy amin’izany ireo tsy fanarahan-dalàna samihafa niseho tao amin’ny distrikan’i Beroroha. « Teo ny fandrahonana mialoha nataon’ny depiote sy ny lehiben’ny faritra ny amin’ny tsy maintsy hifidianana ny HVM raha te handroso », hoy ihany izy.        Anisan’ny nanao ny nataony koa, araka ny nambarany, ny eo anivon’ny Dren, naniboka an-trano nialoha sy nandritra ary taorian’ny fifidianana ireo mpifidy vaventy ary nanome vola 100 000 Ar sy sakafo. « Tonga hatramin’ny fandrahonana famindran-toerana ireo mpampianatra anisan’ny mpanolotsaina izany… Teo koa ny fametahana ny marika samihafa amin’ny biletà tokana... », hoy ny eo anivon’ny Fitiba.  Nanteriny fa nahitana izany avokoa ny 99% -n’ireo birao fandatsaham-bato manerana ny faritra Atsimo Andrefana na ny faritanin’Antananarivo. 

     Na izany aza, tsy nipetra-potsiny ireto avy amin’ny Fitiba ireto fa nampiakatra ny raharaha any amin’ny ligy miahy ny zon’olombelona sy ny vahoaka, manoloana ny fanitsakitsahana ny zon’olombelona sy ny tsiambaratelon’ny fifidianana ary koa ny fahafahana mifidy.

Synèse R. sy Njato Hervé

Les commentaires sont fermées.