Flash
Préc Suiv

Rabefika etsy, Rabefika eroa…  

Rabefika etsy, Rabefika eroa…  

Rabefika… Tsy iza fa Rabefikasana. Be loatra ny fikasana hanorina an’itsy, hanarina an’iroa. Very anarana hoe Rabefika amin’izany izy, fa tsy firy na tsy misy tanteraka izay fikasana… lainga sy fitaka, fampandriana adrisa. Tanàna tsy ilaozan’adala, hoy ny fitenenana. Tsy ilaozan-dRabefika koa ny tanàna, ny tany sy ny fanjakana.

Tsy vitan’ny hoe be fikasana Rabefika amin’izany, fa be kajikajy ihany koa: Rabefikajiana. Io kajikajy io aza no mahavery anarana azy ho Rabefikasana. Ankininy amin’izay kajikajy izay tsinona ny fikasan-dRabefika: Rabefikajiana, Rabefikasana… hahazo an’itsy, hihazo an’iroa amin’izay diaviny. Nefa tsy hita izay vita amin’ny atao.

Inona loatra, hono, no mahatonga an-dRabefika tsy ahitana asa mivaingana loatra amin’ny ataony? Be katro-doha Rabefika na Rabefikatrodoha. Mbola anarany koa izay… Fa misy paipaika hatrany izay atao rehetra amin’ny kajikajy: amin’izay mahamety ny tena, hahazoana tombony. Izay ny maha Rabefika an-dRabefikatrodoha.

Miketriketrika lava amin’izay mahamety azy ny lohan-dRabefika, ka be fikabary na Rabefikabary koa. Loza rehefa mby amin’izay tsy zakan’ny lohany. Na anarana petaka io, na tsikera, na feo etsy sy eroa… Mandeha ny fanamarinan-tenan-dRabefika amin’izany: be ny fikasana, be ny kajikajy, be ny katrodoha, be ny kabary…

Mby aiza, hono, izay rehetra izany? Manohy ny ataony hatrany Rabefika, na iza hiteny, na iza tsy faly… Eny, na efa mikatso aza izay rehetra ataony sy izay lazainy rehetra: midona amin’ny rindrina, fa tsy mahataitra ny hafa intsony. Mbola nahazoany anarana tsy very ihany koa izay amin’ny maha Rabefika na Rabefikatsoana azy.

Ahoana ny hiafaran-dRabefika? Misy farany amin’izay ikatsoany ny zava-drehetra. Nefa Rabefika, hono, Rabefika, manohy ny ataony hatrany: mahazo laka, manjaka… Fa Rabefika etsy sy eroa, tsy ilaozany ny tanàna, ny fanjakana… Sao izany no mahatonga izao toe-draharaha eto amintsika izao? Rabefika etsy sy eroa…  

Rafaly Nd.

Les commentaires sont fermées.