Flash
Préc Suiv

Nolanian’ny filankevitry ny Tanàna : hosokafana ny kianjan’ny demokrasia Ambohijatovo

Nolanian’ny filankevitry ny Tanàna : hosokafana ny kianjan’ny demokrasia Ambohijatovo

 « Mahita izahay fa rariny raha miroso amin’ny fahafahana miteny sy maneho hevitra isika. Mivoatra ny raharaham-pirenena. Hovahan’ny mpanolotsaina amin’izao fotoana izao ny kianjan’ny demokrasia Ambohijatovo rehefa nakaton’ny mpanolotsaina tamin’ny foton’androny », hoy i Andriambahoaka Faustin, omaly tamin’ny mpanao gazety, nialoha ny nandanian’ny mpanolotsaina izany tetsy Analakely. Nandany izany, tamin’ny alalan’ny tsangan-tanana avokoa  ireo mpanolotsaina maherin’ny 40, tonga niatrika ny fivoriana.

      Tsiahivina fa notokanan’ny ben’ny Tanànan’Antanarivo ny 17 janoary, nialoha ny nitarihany vahoaka nidina an-dalambe ity toerana ity ka nomena ny anarana « Kianjan’ny demokrasia ».

Tompon’ny teny farany ny prefaktiora

 

Nidiran’ny mpomba ny ara-dalàna, nitaky ny fiverenan-dRavalomanana ny kianja ny 21 marsa 2009 taorian’izany ary nanaovany hetsika isan’andro sy nidiran’ny filoha teo aloha an-telefaonina matetika.

       Nandray fanapahan-kevitra nanakatona an’Ambohijatovo anefa ny filankevitry ny Tanàna fony nitantana an’Antananarivo Razafindravahy Edgard, ny taona 2012. Tsy azo nanaovana hetsika politika intsony tao. Nifindra teny amin’ny Magro Ankorondrano ireo mpomba an-dRavalo taorian’izany, nanohy ny hetsika.

Hiverina hisokatra indray izany izao. Mbola handalo eo anivon’ny prefektiora koa anefa izao fanapahana izao. Tompon’ny teny farany izy ireo. Hanao ahoana ny ho tohiny ?

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.