Flash
Préc Suiv

Karaté – Open de Paris 2016 : tsy fantatra ireo hiaro ny voninahi-pirenena

Baraingo aloha, hatreto, ny fandraisana anjaran’i Madagasikara na tsia amin’ilay hetsika iraisam-pirenena eo amin’ny taranja karate “Open de Paris”, andiany faha-20. Fifaninanana karakaraina sy hotanterahin’ny federasiona frantsay (FFK), ny 22 – 24 janoary izao, ao amin’ny kianja Pierre de Coubertin, Paris, Frantsa.

Anisan’ireo firenena mandray anjara amin’io hatrany i Madagasikara, eny, fa na tsy nandefa mpikatroka avy eto an-toerana aza teo aloha teo, fa ireo mpikatroka malagasy milalao sy monina any ivelany no saika niaro ny voninahi-pirenena. Raha ny fanazavan’ny filohan’ny federasion’ny karate eto Madagasikara (FKM), Andrianavomanana Solofo Barijaona, antony goavana tsy nahafahan’ny federasiona hatramin’izay ny hoenti-manana. Manampy trotraka izany ny tsy fanomezan’ny minisiteran’ny Fanatanjahantena (MJS) fanampiana azy ireo.

Tsiahivina anefa fa nahavita nandefa mpikatroka manodidina ny folo tamin’ity fifaninanana iraisam-pirenena ity ny FKM tany aloha.

Ankoatra izay, hotanterahina any Linz, Autriche, ny fiadiana ny tompondaka eran-tany, sokajy “seniors”, ny volana oktobra 2016.

Miary Narindra

Les commentaires sont fermées.