Flash
Préc Suiv

HVM –Faritra V7V : « Fanambaniana mpifidy vaventy ny nataon’ireo resy »

HVM –Faritra V7V : « Fanambaniana mpifidy vaventy ny nataon’ireo resy »

Nitondra fanazavana, tao Le Louvres Antaninarenina omaly,  ny mpikambana ao amin’ny HVM avy any amin’ny faritra Vatovavy Fitovinany, nitsipaka tanteraka ny fandotoana azy ireo  tamin’ny fifidianana loholona, ny 29 desambra lasa teo, indrindra tao amin’ny kaominina Vohipeno sy Ambila. « Fanambaniana mpifidy vaventy ireny filazana nataon’ny vondron’olona resy ireny ; politika hikotrehana fanakorontanana », hoy ny minisitry ny Fiompiana, Ramparany Anthelme.

Nanamafy izany araka ny fahitany azy avy ireo mpikambana sasany, anisan’izany ny depiote Zafimahatratra Abel, nanambara fa nisy nisoloky ho assistant parlementaire, nentina nandotoana ny HVM any an-toerana. « Tsy mbola nisy mangarahara tanteraka toy ny natao farany teo iny tany amin’ny faritra Vatovavy Fitovinany. Porofon’izany nisy kaominina, ohatra,  Vohimasina, naharesy ny HVM. Koa nahoana lazaina fa nampiasa vola izahay, nisy faneretiterena, sns ?”, hoy ihany Ramparany Anthelme. Koa niantso ny rehetra izy ireo hiandry ny valim-pifidianana ofisialy havoakan’ny Fitsarana avo momba ny lalàm-panorenana, mba tsy hampisy korontana eto amin’ny firenena.

R.Mathieu

Les commentaires sont fermées.