Flash
Préc Suiv

Fizahantany sy fampandrosoana : hiroso amin’ny matihanina hatrany ny Ortana

Fizahantany sy fampandrosoana : hiroso amin’ny matihanina hatrany ny Ortana

Tohizina ny tetikasa efa natomboka. Hirosoana hatrany koa ny haha matihanina ireo rantsa-mangaikan’ny fizahantany sy ny fampandrosoana. Anisan’ny nisongadina ireo nandritra ny fifamindram-pahefana teo amin’ny filoha vaovaon’ny filankevi-pitantanan’ny Ofisim-paritry ny fizahantany eto Analamanga (Ortana) sy ny mpitantana teo aloha.

Hatsaraina hatrany ny tolotra omen’ny Ortana amin’ny alalan’ny fampidirana ireo voakasiky ny tontolon’ny fizahantany ho eo amin’ny sehatry ny matihanina. Tafiditra ao anatin’izany ny fanomezana fiofanana ho an’ny mpandray vahiny, mpamily taxi, mpitarika mpizahatany, sns. Fanentanana ny olon-drehetra mba hanana fijery lavitra kokoa amin’ny fampandrosoana hoentin’ny fizahantany. Fampahafantarana ny hakanton’i Madagasikara amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa amin’ny mpanao gazety.

Ho an’ny fampandrosoana maharitra, fikajiana ny hakanton’ny valanjavaboahary. Fanisana sy fitsirihana  ireo toerana manan-tantara ara-kolontsaina, ara-tantara. Fampiroboroboana ny fizahantany an-tanàn-dehibe amin’ny alalan’ny tsidi-bohitra sy ny asa mifanandrify amin’izany.

Voafidy ho filohan’ny filankevi-pitantanan’ny Ortana Razakamananifidiny Nirinasoa Jocelyne. Filoha voalohany Rakotoson Herintsoa Dany ; filoha faharoa Rabemananjara Dorothée ; mpitambola Ravelojaona Rita.

HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.