Flash
Préc Suiv

Filankevitry ny minisitra : hanendry loholona avy amin’ireo rafitra sosialy sy toekarena ny filoha

 Anisan’ny nivoitra tamin’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly teny Iavoloha ny nanampiana tovana ny andininy amin’ny didim-panjakana, momba ny fanendren’ny filoham-pirenena ny loholona. Tafiditra ao anatin’izany ny fahazoan’ireo vondrona na rafitra ary koa fikambanana mijoro ara-dalàna manolotra olon-tokana na maromaro hofidin’ny filoham-pirenena ho anisan’ireo loholona 21 anjara tendreny, hanampy ireo 42, nofidin’ny mpifidy vaventy farany teo.

     Anisan’ny fepetra takina amin’izany ny taratasy sy antontan-taratasin’ny kandidà atao dika mitovy sy ny daty nitsangan’ny fikambanana. Ny lisitry ny birao sy ny tatitry ny fivoriana (PV) nanendrena azy, voasonian’ny birao. Eo koa ny fampahafantana ny vaovao rehetra momba ilay fikambanana nanolotra toy ny tatitra ara-bola farany.

Haterina eny anivon’ny sekretera jeneralin’ny fiadidiana ny Repoblika iray andro aorian’ny fanambarana ny voka-pifidianana ofisialy hataon’ny HCC izany.

     Tsiahivina fa afaka manolotra izany kandidà izany ireo fikambanana na vondrona manana tanjona ho amin’ny fampandrosoana ny lafiny sosialy sy ny toekarena ary ny koltoraly.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.