Flash
Préc Suiv

Centre ClayM : hampahafantarina ny momba ny AVC

Maro ireo mpamaky manaraka ny fampianaran’ny Dr ClayM eto amin’ny gazety Taratra isaky ny alarobia  hoe « Ny tsara ho fantatra avy amin’ny dokotera ». Hiverina indray izany ka ny momba ny karazana AVC (fahatsentsenan’ny lalandra) no harosony manomboka ny 27 janoary izao. “Noho ny fangatahan’ny maro ny anton’io fanapahan-kevitra io », araka ny nambarany. Marihina fa mampianatra sy manoro hevitra mikasika ireo karazana aretina maro mety hitranga amin’izao vanim-potoana izao, eto amin’ny gazety, ny Dr ClayM. « Azo tsaboina ny takaitran’ny AVC amin’ny alalan’ny fanarahana fitsaboana ao amin’ny centre. Arovana ihany koa ny marary mba tsy ho tratry ny rechutte indray », hoy izy raha niresaka tamin’ny mpanao gazety.

Andry F.

Les commentaires sont fermées.