Flash
Préc Suiv

Vatovavy Fitovinany : mitsipaka ny voka-pifidianana ny mpanolotsaina

« Hijoro hatramin’ny farany izahay ary efa nandefa ny fitoriana amin’ireo ambaratonga samihafa, manoloana ny tsindry sy ny fandrahonana nahazo anay mpifidy any amin’ny distrikan’i Manakara. Tsy haniky lembenana izahay fa hiaro ny zonay hatramin’ny farany », hoy ny filohan’ny mpanolotsaina any an-toerana, Tsabotokay Francis, omaly tetsy 67 ha. Notanisain’izy ireo ny tranga niseho, toy ny fividianana ny mpifidy, 200. 000 Ar. Ireo, efa nanana ny safidiny nefa niova ho 100% ny vato azon’ny HVM. « Noroahina nivoaka ny birao fandatsaham-bato ny delege-nay, tsy nahazo nanatrika ny fanisam-bato… Voahitsakitsaka ny zo fototra. Milaza ho tany tan-dalàna anefa isika », hoy ihany izy ireo.  Nandefasana izany tatitra izany koa ny mpiahy ny zon’olombelona (UNMDH), tarihin-dRafolisisoa Hanitriniala. « Naharay fitoriana amin’ny faritra 22 izahay ary hitondra izany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena », hoy izy.

Synèse R. sy Njato Hervé

Les commentaires sont fermées.