Flash
Préc Suiv

Toliara : nampiaka-peo ireo kandidà 10

Manao ranolava tonga hatrany Toliara koa. Nivondrona ireo kandida 10 tsy lany tamin’ny fifidianana loholona hanohitra ny voka-pifidianana noho ny tsy fanarahan-dalàna nandritra ny fifidianana. Nambaran’izy ireo amin’ny mpanao gazety ny fiandohan’ny herinandro teo fa marika hafa ankoatry ny X sy lavotondro, voarakitra amin’ny lalàna momba ny fifidianana  no hita amin’ireo vato. Ohatra, ny A,V,C, R, D, /, =. Teo koa ny fividianana ny safidin’ny mpifidy vaventy.

     Efa niteraka ny savorovoro ity tranga ity amin’ny tokony haha vato maty sy tsy manankery  ny vato azon’ny HVM. Noterena hanan-kery anefa izany. Manolona izany, niray hina ireto kandidà ka miangavy ny Ceni sy ny fitsarana handray ny andraikitra. “Hampiharo ny maha tany tan-dalàna antsika.  Voahitsakitsaka ny demokrasia. Samy nahitana marika toy ireny avokoa ny birao fandatsaham-bato taty atsimon’ ny Nosy”, hoy izy ireo.

CMS

Les commentaires sont fermées.