Flash
Préc Suiv

Toerana avo : tsy lonaka sy tsy mamokatra ny tany

Toerana avo : tsy lonaka sy tsy mamokatra ny tany

Na maro tsy mahatsikaritra aza, nilaza ny teknisianina avy amin’ny Foibe misahana ny fikarohana amin’ny fambolena (Fofifa), fa tsy mamokatra loatra ny tany aty afovoan-tany sy toerana avo. Antony, kivatovatoana ny tany ary lasa any amin’ny morontsiraka sy ny lemaka ny tsiron’ny tany. Tsy mahagaga noho izany raha mamokatra kokoa any amin’ny toerana midadasika sy lemaka.

Hany lonaka aty afovoan-tany ny toerana nisy volkano tany aloha. Toy ny any Itasy, Alaotra, Betafo, sns, ary voamarina fa mamokatra tokoa.

Mizara roa mazava

Araka ny firafitry ny tany eto Madagasikara, midadasika ny any amin’ny tapany andrefana manontolo sady mafana, ary kitoatoana ny atsinanana, nefa mando lava sy mafana. Mamokatra ny lemaka any andrefana rehefa voajary sy voafehy ny rano, anisan’ny ifantohan’ny fandaharanasa toy ny any Morondava, Bas Mangoky, Bevoay, sns. Afaka ambolem-bary indroa na intelo isan-taona

Sarotra jariana kosa ny any atsinanana satria tery na be loharano sy ala aza.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.