Flash
Préc Suiv

Resaky ny mpitsimpona akotry : lavitry ny afo ny kitay

Samy afaka hametraka fanamby daholo momba ny fikasana izay ho tanterahana amin’ity taona vaovao 2016 izay miantomboka ity. Iza moa no tsy hanana faniriana ho an’ny tenany na tsy haneho firarian-tsoa ho an’ireo tapaka sy namana, ho an’ireo tompon’andraikitra ambony izay samy manana ny sehatra sahaniny eo amin’ny raharaham-pirenena dia any amin’ny fahombiazan’i Gasikara no miantefa voalohany ny firariany, fantatra mialoha ny ankapoben’ny lahateny: enga anie mba hody vokatra ny hatsembohana mipatrapatraka eo amin’ny ezaka atao mikasika ny fampandrosoana, mba samy ho afaka hisitraka ny tandrify azy ny tsirairay eo anivon’ny filaminana! Ho tanteraka tokoa anie izany!

Ity hatsembohana voalaza mipatrapatraka ity anefa toa mbola tsy tazana misoritra eny amin’ny andrin’ireo tompon’andraikitra ambony. Ho an’ny fiheveran’ny vahoaka ndrao sanatria ny fiadakadanan’izy ireo sy ny tandapany no homeny lohalaharana eo amin’ny ezaka. Ireo manam-pahalalana momba ny fandinihina ny fitantanam-bola dia nitolagaga ihany raha nahita ireny teti-bola nolaniana ho lalàna fampiasana ny volam-panjakana amin’ny 2016 ireny.  Asa na fanjakana na fanjakazakana, tsy toko tsy forohana anie izao ampahany atokana ho kirakirain’ny andrimpanjakana atsy sy aroa, miavaka mihitsy amin’izany ny any amin’ny Fiadidiana ny Repoblika sy ny an’ny Primatiora. Ohatran’ny hoe tsy ampy fahavononana handefitra, nefa ny kabary dia miravaka fananarana ho an’ny fitsitsiana mba tsy handanindany fahantany amin’ny sehatra na asa tsy mamokatra. Maso tsy miangatra no tsy maintsy itarafana ny fomba fitantanana ny raharaham-pirenena, raha ampitahaina amin’ny zava-misy ny kabary heno anefa dia injay mitsimoka ao an-tsaina ny ahiahy: tsy mbola lavitry ny afo ve izany kitay lazaina haroso izany? Ny ampitso vetsovetsoina handrotsirotsy ny vahoaka efa anio na omaly akory aza no nanomboka. Samihafa amin’ny tena fahatafidirana ao anatin’ny asa ny fitanisana ny ezaka hatao rahampitso, raha mbola tsy afaka manontany tena mikasika ny ezaka vita androany ho fahatratrarana ny  tanjona napetraka dia mbola nofinofy ihany izay.

 Tsy mila hanarina amin’izany fitsitsiana izany intsony anie ny olona, ny ao an-tsopitra aza efa tsy misy inona indray no tsitsiana, fangirifiriana noho ny fahasarotan’ny fiainana no iandrasana fanafody fanatonitonina azy, efa ela nampiasaina ny fampanofinofisana ka tsy mandaitra intsony. Avadiho ny disika.

Léo Raz

Les commentaires sont fermées.