Flash
Préc Suiv

 Mpifidy vaventy :  « Tsy mila vidiana izahay…”

Aty amin’ny fitondrana foibe ny ain’ny kaominina : fototra ivelomany ny « subvention », 12 tapitrisa Ar isan-taona. Ataon’ny fanjakana tara fotsiny ny fanampiana ka kofona ny kaominina. Mazava ny tenin’ilay ben’ny Tanàna  any atsimo ka nanambara ampahibemaso fa hifidy ny lisitra « fantatra fa ho lany”. Mety ho teo ny teritery sy ny vola saingy ireo no  nambaran’ireo mpifidy vaventy  vitsivitsy. Tsy nilaina ny fanambatambazana .

    140 tapitrisa Ar ny tetibolan’ny kaominina iray. Hetran-tany sy trano miampy tamberim-bidy na sara sy ny hetra ireo.”Lasa fahavalom-bahoaka ireo mpitaky haba alefanay”, hoy ny ben’ny Tanàna iray.   “Mahalana no mahatratra folo ny mpanamarina sonia indray andro. Mahazo 50 Ar  isanisany ny kaominina… Nefa hatramin’ny karaman’ireo mpiasan’ny CSB, ankoatra ny an-drasazy, mbola aloanay. Eo koa ny mpiasan’ny kaominina. Ny Fram koa aza, mbola mitodika aty amin’ny ben’ny Tanàna… Resabe fotsiny ny fitsinjaram-pahefàna tena izy sy ny fampandrosoana ifotony”,  hoy ny ben’ny Tanàna iray, hafa mbola tafaverina amin’ny toerana.

Rarivo

Les commentaires sont fermées.