Flash
Préc Suiv

Fiaraha-miasa amin’ny UA : tonga hanombana ny fifidianana i Lakhdar B.

Fiaraha-miasa amin’ny UA : tonga hanombana ny fifidianana i Lakhdar B.

Noraisin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Atallah Béatrice, tetsy Anosy omaly, ny Vondron’ireo olon-kendry eo anivon’ny Vondrona afrikanina (UA), notarihin’i Lakhdar Brahimi. Tafiditra amin’ny tomban’ny fifidianana teto amintsika sy ny fametrahana fitoniana izao fahatongavan’izy ireo eto izao. « Efa nampahafantarin’ny minisitra anay ny toe-draharaha amin’izao fotoana izao. Hoentina any amin’ny fivorian’ny UA, ny faran’ny volana izao, izany », hoy i Lakhdar B. Nohamafisin’i Atallah Béatrice fa hanao tombana ireo dingana vita ireo vahiny. Eo ny hanafaingana ny fametrahana filaminana, amin’ny alalan’ny Rindra safatsiroa ny sehatry ny filaminana (RSS). « Mbola hifampiresahany amin’ny filoham-pirenena kosa ny raharaham-pifidianana rehetra natao », hoy ihany ny minisitra.

Tsiahivina fa anisan’ny fiaraha-miasan’ny UA amintsika  ny dingan’ny fampihavanana. Eo koa ny hamerenana amin’ny laoniny ireo dahalo ho eo anivon’ny fiarahamonina.

Synèse R.

 

Les commentaires sont fermées.