Flash
Préc Suiv

Fiainana antoko : nanampy ireo sahirana ny Arema  

Ankoatra ny teto an-dRenivohitra, nanatanteraka ny fanambiny, hanampy ireo sahirana sy tratry ny tsy fanajarian-tsakafo tany amin’ny faritra Anosy sy Androy ny eo anivon’ny antoko Arema ny faran’ny taona teo. Mbola hitohy amin’izao taona vaovao izao izany ary hahazo avokoa ny faritra rehetra, araka ny voalaza.

     Nambaran’ny tompon’andraikitra fa efa tafiditra amin’ny fankalazana sy ny fanamarihana ny faha-40 taon’ity antoko naorin’i Deba ity izany hetsika rehetra izany. Nahazo tombony amin’ny fanomezana ireo kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro (PPN)  ny kaominina 10 isaky ny faritra. « Hitohy hatrany mandritra ity taona ity izany », hoy ihany izy ireo.

Efa nialohavan’ny fanolorana PPN sy fizarana vatomamy ho an’ireo mponina sahirana sy ny zanany etsy amin’ny boriborintany fahatelo izany.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.