Flash
Préc Suiv

Fadintseranana : tsy asiana resaka intsony ny tolotra ho an’ny tsy miankina

Fadintseranana : tsy asiana resaka intsony ny tolotra ho an’ny tsy miankina

Nitondra fanazavana ny sendikàn’ny fadintseranana (Sempidou), omaly teny Antaninarenina, tohin’ilay fitsipahan’izy ireo, tamin’ny 17 desambra 2015, ny tolotra tadiavin’ny fanjakana ho an’ny sehatra tsy miankina, hanao asa fanaraha-maso aorian’ny fampidirana entana. Taorian’izay, nanome fe-potoana 48 ora ny fitondram-panjakana  izy ireo ny 22 desambra. Noraisin’ny tao Mahazoarivo ka nangatahin’ny governemanta ny hidiran’io sendikà io ao anatin’ny komity misahana ny tolotra na ny Ami (appel à manifestation d’intérêt). « Nolavinay marindrano ny fidirana ao anatin’izany komity izany ary notanterahinay sady narahin’ny rehetra ny fitokonana fanairana ny 23 desambra manerana ny Nosy », hoy ny filohan’ny sendikà, Andrianavalona Herizo. Tanjona ny hitadiavana vahaolana hafa, raha ho fampitomboana ny vola miditra ihany.

Taorian’io fitokonana fanairana io, nampiantsoin’ny tale jeneralin’ny fadintseranana  ny mpitarika sendikà, ka marimaritra iraisana  tapaka teo amin’ny andaniny sy ankilany ny tsy fanasiana resaka intsony ny momba ilay « Appel à manifestation d’intérêt ». Hatsangana ny komity iraisana handinihana ny fanatsarana ny asa ao amin’ny fadintseranana amin’ny lafiny maro, iarahana amin’ny minisiteran’ny Fitantanambola sy ny tetibola ; ny mpamatsy vola ary ny Sempidou. Hatsangana amin’ny alalan’ny didim-panjakana izany komity izany.

R.Mathieu

Les commentaires sont fermées.