Flash
Préc Suiv

Beach volley : hatao eto Dago ny “Coupe de la Nation Zone 7”

Beach volley : hatao eto Dago ny “Coupe de la Nation Zone 7”

Mazava. Vantany vao tontosa ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara eo amin’ny beach volley, ny volana desambra lasa teo, tany Mahajanga, efa miomanomana amin’ny fampiantranoana ny fiadiana ny « Coupe de la Nation de la Zone 7 » ny federasiona malagasin’ny volley (FMVB) tarihin’ny filohany, Ramandimbisoa Jocelyn, amin’izao fotoana izao.

Hatreto, tsy mbola fantatra mazava kosa ny torapasika handraisantsika io fifaninanana iraisam-pirenena eo amin’ny beach volley io. Mbola mila fanatsarana sy fanamboarana mantsy ny torapasik’i Mahajanga, raha toa ka hotanterahina any ny hetsika, raha ny nambaran’ny filohan’ny FMVB.

Ankoatra izay, anisan’ny fifaninanana nitiliana ireo mpilalao sy ekipa handrafitra ny ekipa nasionaly iny fifaninanana nasionaly tany Mahajanga farany teo iny. Mbola handalo fifaninanana tsapa kosa ireo mpilalao mialoha ny hifantenana azy ireo.

M.N.

Les commentaires sont fermées.