Flash
Préc Suiv

Atsy ho atsy : 500 Ar isan’ora ny fiantsonan’ny fiara

Nivory omaly ny tompon’andraikitry ny “parking” ao amin’ny kaominin’Antananarivo miaraka amin’ireo mpiara-miasa ka nanapaka fa hasondrotra 500 Ar isan’ora ny saram-piantsonan’ny  fiara amin’ireo toerana telo ao Analakely sy ny manodidina. Voakasik’izany ny toeram-piantsonana eo amin’ny Esplanade Analakely, Antaninarenina ary Antsahavola. Tsy mbola hihatra avy hatrany anefa izany raha tsy tafapetraka ny “horodateur”, ilay milina mamoaka tapakila hamantarana ny fe-potoana nijanonana teo an-toerana. Iarahana amin’ny sehatra tsy miankina ny fanatanterahana izany ka ny ampaham-bola miditra ihany no an’ny kaominina.

Nanomboka tamin’ity herinandro ity ihany koa ny fanesorana ireo fiara miantsona amin’ny sisin’arabe ka manelingelina ny fifamoivoizana. Niisa enina ireo fiara nampidirina “fourrière” avy hatrany. Nisy ny dinika nifanaovan’ny kaominina sy ny mpivarotra fiara ary mpanao “décodage” eo Analakely. Hafindra eny Anosy sy eo alohan’ny Magro izy ireo hahafahany manohy ny asany.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.