Flash
Préc Suiv

Ambavatapia : balana tafondro hitan’ny zandary          

Ambavatapia : balana tafondro hitan’ny zandary          

    Balana tafondro miisa telo no hitan’ny zandary tao ambany tetezana iray ao Ambavatapia Ilaka Centre Ambositra, omaly. Araka ny loharanom-baovao voaray, olona no nahatsikaritra ireto fitaovam-piadiana ireto ka nampilaza amin’ny ben’ny Tanànan’Ilaka Centre. Ny ben’ny tanàna indray no nampilaza tamin’ny borigadin’ny zandary ao an-toerana. Nidina teny an-toerana avy hatrany ny zandary manampahaizana manokana momba ny fitaovam-piadiana notarihin’ny lehiben’ny kaompania ao Ambositra.

Mitovy amin’ny balana tafondro ireto fitaovam-piadiana ireto, saingy efa harafesina ka tsy misy atahorana intsony ny mety hipoahany, raha ny fanazavana voaray. Mirefy 65 sm ary milanja 20 kg isanisany avy ireto fitaovam-piadiana hitan’ny zandary ireto. Nanamafy ny zandary mpanao fanadihadiana fa tsy misy atahorana ary tsy misy ifandraisany tamin’ny fahasimban’ilay tetezana ireto fitaovam-piadiana ireto. Miantso ny olona manodidina ny toerana nahitana ireto vy miendrika balana tafondro ireto ny zandary mba tsy hikitikitika raha sendra mahita zavatra mampiahiahy fa hampandre ny zandary avy hatrany.

J.C

Les commentaires sont fermées.