Flash
Préc Suiv

Samy tanora : inona ny vita, inona no miandry ?

Resahantsika eto foana ity lohahevitra ity isan-taona, saingy tsy maninona, hiverenana indray. Nivalona iny ny taona 2015, efa tonga kosa ity ny taona 2016.  Inona ny vita, inona no tsy tontosa? Samy manana ny havaliny izany isika tsirairay avy. Mety eo amin’ny lafiny fianarana, fiangonana, asa, fiarahamonina, fa indrindra izay mikasika ny tenanao manokana io.
Izay ny jery todika… Fa fotoana fametrahana vina sy fanamby koa izao. Ireo nametraka izany tamin’ny herintaona, nahatratra ny tanjona ve? Raha tsia, amboary kely hifanaraka amin’izay ilainao, dia hataovy tanjona vaovao indray. Na izany aza, misy ireo zavatra tsy mila fotoana elabe ny manatontosa azy, saingy hadinodino teny, ka raha tsy manao tamberina tsy tadidy. Hatomboy amin’ireny aloha ny asa. Mety hanome antsika ainga vao, hiatrehana ny manaraka izany. Ny tena tiana hozaraina, aza matoritory fa na voalohan’ny taona aza, tadidio fa fiandohan’ny telovolana faharoa, izay anisan’ny mafy indrindra izany ho an’ny mpianatra ambarantonga faharoa. Fiandohan’ny tena fianarana ihany koa, ho an’ireo any amin’ny ambaratonga ambony. Fiatrehana ny tena asa amin’izay kosa, ho an’ireo efa manana anton’asa.
Arahabaina nahatratra ny taona, dia samia hahatratra ny tanjona.

Les commentaires sont fermées.