Flash
Préc Suiv

Resaky ny mpitsimpona akotry : jery vilana. Raha sahy andao samy hihafy

Tia tena, tsy mikatsaka afa-tsy ny tombontsoa ho an’ny tenany… Tsy ho voalaza eto daholo ireo fiampangana, fanendrikendrehana sy fanosoram-potaka ireo depiote. Tsy zava-baovao izany, efa ela ny fivohizana serasera toy izany, fomba izay azo heverina fa misy mpanosika hanafenana ny tena tranga eo amin’ny fandaniam-bolam-panjakana. Marina fa nisy hetsika tetsy sy teroa nataona depiote, hetsika nety nitory fitiavan-kely, nefa fitsarana an-tendrony ny fiaingana avy amin’izany, tetika fanamavomavona ireo solontenantsika vahoaka eo amin’ny fitantanana ny firenena. Ivelan’ny Filoha izay nofidian’ny rehetra dia ireo no tena solontenantsika amin’ny fanaraha-maso ny asa fitantanana ataon’ny fahefana mpanantateraka. Nivoaka ity ny volovolan-dalàna mikasika ny teti-bola enti-manana iatrehana ny taona vaovao. Ny mpanatanteraka no mpandrafitra izany. Rehefa dinihina ny sorabola dia mivandravandra eo aiza no mipetraka ny mpanao fitsinjovan-tena.
Firy moa ny solombavambahoaka? 151! Ny ampahan’ny teti-bola atokana ho fampihodinana ny Antenimierampirenena tsy mahatratra akory ny anjara voafaritra ho an’ny fiadidian’ny Praiminisitra. Marina fa maro ierehana izany fiadidiana izany, nefa sao voakajikajy mialoha ao hatramin’ny fitobatobahana mety ho atao.
Raha tena dinihina ara-tsaina tsy miangatra koa tokony ho latsaky ny antsasa-manilan’ny totalin’ny tambin-karama aloa ao amin’ny Antenimierandoholona raha ampitahaina amin’ny ao amin’ny Antenimierampirenena. Asa ny fahaiza-manisa manokan’ireo nanomanana ny teti-bola, fa manodidina ny 12,5 miliara ariary ny an’ireo senatera 63 raha toa manafosafo ny 20 miliara no natokana ho an’ireo solontenantsika 151 mianadahy. Ho an’izay manao kajikajy maimaika, mira sasanangy tsy mitovy: ankilany 200.000.000 isan’isany, andaniny 132.000.000. Marina fa feom-bola maneno fidanganana izany any am-pototsofin’ny vahoaka izay miharitra fahasahiranana ny maro, izany anefa tsy manome vahana ny fijerena mitongilana sy ny fitsarana miangatra. Tsy ny kely fihinanana indrindra no ampangaina ho tendan-kanina. Raha tia hampiseho tsy fitiavan-tena ny depiote dia afaka mampiasa hafetsena ka hitaky ny rehetra hanao fihafiana, ary hilaza ny fahavononany amin’izany raha toa samy sahy hitovy fitafy aminy, indrindra ireo manindraindra tena migalabona amina fampiadanan-tena miseho saro-piaro amin’ny volam-panjakana rehefa tsy misy anjara tantely ho azy.

Léo Raz

Les commentaires sont fermées.