Flash
Préc Suiv

Hopitalibe – Toamasina : olona iray maty noho ny tsy fisian’ny oxygène

Hopitalibe – Toamasina : olona iray maty noho ny tsy fisian’ny oxygène

Nisedra olana ny Hopitalibe – Toamasina nandritra ny fankalazana ny fetin’ny faran’ny taona  noho ny tsy fisian’ny famelomana aina (oxygène) ka nisy ny aina nafoy vokatr’izany, araka ny fanadihadina natao. Na nilamindamin-dratsy aza ny fankalazana ny fety, nahatratra dimy ny namoy ny ainy ka ny iray tamin’ ireo, ny marain’ny 2 janoary lasa teo, ary vokatry ny tsy fisian’ny « oxygène » tao amin’ny hopitaly.  Voaporofo fa ny marain’ny 4 janoary vao nandefa komandy tany amin’ny mpamatsy ny tompon’ andraikitr’ izany fanafarana entana izany tao amin’ny Hopitalibe. Vokatry ny lozam-pifamoivoizana kosa ny antony nahafaty ny hafa ary fahatapahana lalandrà ny sasany.
Amin’ny ankapobeny, nahatratra 174 ny olona nila famonjena haingana tao amin’ny sampana mpamonjy voina, 125 tamin’ ireo tsy maintsy naiditra hopitaly noho ny fahasarotan’ny aretina mahazo azy. Mitotaly 16 kosa ny ratra vokatry ny lozam-pifamoivoizana, raha 16 mitovy amin’ izany ihany koa ny ratra  vokatry ny ady ifanaovana. Saika tsindrona antsy no betsaka indrindra, dimy ny ratra fianjerana tao an-tokantrano, telo vokatry ny asa. Tsy nisy kosa ny fahamamoana diso tafahoatra, ny famonoan-tena ary ny fanapoizinana vokatry ny sakafo.

Sajo

Les commentaires sont fermées.