Flash
Préc Suiv

Halatra : marobe ireo môtô nosavain’ny polisy  

Tsikaritra hatry ny omaly teto an-dRenivohitra indrindra teny Anosy hatreny Anosizato, 67 ha, Petite Vitesse ny fisavana nataon’ny polisy ireo mpitondra môtô. Tsy nionona fotsiny tamin’ny fisavana ny taratasina môtô fotsiny ihany ny polisy fa nisava hatrany anaty môtô mihitsy. Notazonina ary tsy afa-nihetsika avy hatrany ireo môtô mampiahiahy. Somary niteraka fimenomenomana teo amin’ireo mpitondra môtô ihany ity fisavana tampoka nataon’ny polisy ity. “Tsy maintsy manao izany ny polisy satria izany no andraikitra nametrahana anay ny hitandro ny filaminana. Miangavy ny rehetra hanaiky hosavana satria tsy kely lalana ny ratsy”, hoy ny fanazavan’ny polisy iray.

Mampiasa môtô avokoa ny ankamaroan’ireo jiolahy rehefa manao fanafihana satria manamora ny fitsoahana ny fampiasana ireny môtô ireny. Marobe koa ireo tambajotran-jiolahy mpangalatra môtô ary mamadika izany ao anatin’ny fotoana fohy. Izany rahateo koa no maha sarotiny ny mpitandro filaminana satria maro amin’ireo môtô mifamezivezy eto an-drenivohitra no halatra avokoa. Misy andian-jiolahy mangalatra fotsiny, ao kosa ireo mandoko sy mamadika ny taratasy rehetra. Aoka ho mailo, araka izany, indrindra ireo manana môtô fa tsy lavitra ny olon-dratsy.

J.C

Les commentaires sont fermées.