Flash
Préc Suiv

Farihin’Anosy : mpaka tondro efatra nifanenjehan’ny polisy

Farihin’Anosy : mpaka tondro efatra nifanenjehan’ny polisy

Niala maina ireo polisy nanenjika ireo efa-dahy nisaka trondro teny amin’ny farihin’Anosy omaly antoandro. Tafita teny ampitan’ny rano izy ireo, ary tafatsoaka. Nahatondra trondro efa ho tapa-gony avy izy ireo tamin’izany. Ny olona teny amin’ny manodidina no nampandre ny polisy ny fisian’ireo andian’olona maka trondro eny Anosy ireo. Efa fanaon’ny polisy ihany koa ny manao fisafoana eny an-toerana mijery ireo mpisaka trondro. Tsy mahasakana ireo mpanao izany asa ratsy izany anefa ny fepetra tahaka izany, ary amin’ny andro antoandrobenanahary izy ireo no manao ity fomba mamohetra ity. Omaly moa, tafatsoaka niaraka tamin’ny trondro izy efa-dahy.

Voarara ny fakana trondro eny amin’ny farihin’Anosy noho io toerana io maloto sy ny trondro ao aminy. Izay azon’ny mpisaka trondro an-tsokosoko ao anefa, amidin’izy ireo eny Andravoahangy sy toerana hafa ihany koa, ary misy ihany koa ny tonga any amin’ny faritra manodidina an’Antananarivo. Marihina fa mety mampiditra am-ponja ny fivarotana sakafo maloto tahaka izao. Mety tsy mbola nisy nigadra angamba matoa tsy fay ireo mpisaka trondro eny Anosy.

Yves S.

 

Les commentaires sont fermées.