Flash
Préc Suiv

Eran-tany

 Tafidina latsaky ny 7% (6,9%) ny tahan’ny fitomboan-karena tany Sina ny taona 2015 teo. Taha ambany indrindra io, hatramin’ny taona 2009. Nahatratra 11,6% izany ny taona 2006, ary niakatra 13% ny taona 2007. Ho an’ny taona 2010, nahatratra 10,3% ny fitomboan-karena. Izany hoe, ireo ilay lazaina fa nitombo “tarehimarika roa”, toy ilay vinavina sy fanambin’ny mpitondra talohan’ny krizy 2009. Efa nahatratra 7% ny tahan’ny fitomboan-karena teto Madagasikara ny taona 2008, saingy tonga ny krizy ary zara raha nisy 3% ny taona 2015 teo.

Niharan’ny krizy koa ny taona 2015 ny vidin’ny akora fototra avy amin’ny harena an-kibon’ny tany. Tafidina -18% ny vidin’ny aliminioma nanomboka ny janoary, ary -46% hatramin’ny taona 2011. Nihena avo roa heny ny varahina tato anatin’ny efatra taona. Latsaka -25% ny vy ary -35% ny nikela nanomboka ny fiandohan’ny taona. Nihena -66% mihitsy ny nikela nanomboka ny taona 2011. Ho an’ity farany, nambaran’ny teknisianina fa anisan’ny nampitotongana azy ny nanombohan’ny Tetikasa Ambatovy nanondrana mankany ivelany.

Les commentaires sont fermées.