Flash
Préc Suiv

Ambatondrazaka : dahalo 12 voasambotry ny zandary 

Ambatondrazaka : dahalo 12 voasambotry ny zandary 

Nidoboka am-ponja avy hatrany ao amin’ny fonjan’Ambatondrazaka, ny herinandro lasa teo ireo dahalo miisa 12 tompon’antoka tamin’ny halatra omby tany an-toerana. Araka ny fanazavana voaray, nanafika tao Amparimaro fokontanin’Ambodifarihy Ampasikely ireto dahalo ireto, ny faramparan’ny volana desambra 2015 lasa teo iny. Omby ampolony maro no lasan’ireo dahalo tamin’io fotoana io raha ny fanazavana hatrany. Nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika ireo dahalo ireo. Afaka niantso zandary ihany anefa ireo olona niharan’ny fanafihana ka raikitra ny fifanenjehana. Nisy ny fifampitifirana teo amin’ny zandary sy ireo dahalo tao amin’ny toerana antsoina hoe Ampanefy. Tsy naharesy tosika ny zandary anefa ireo dahalo ka noraisim-potsiny. Mbola nahitana odigasy marobe niaraka tamin’ny bala sy ireo fitaovam-piadiana hafa.

Nanamafy ireo zandary any an-toerana fa maro ny fanafihana efa vitan’ireto dahalo ireto, saingy izao vao tratra kosa izy ireo.

Natolotra ny fampanoavana avy hatrany izy ireo taorian’ny fanadihadiana nataon’ny zandary ka niara-naiditra am-ponja.

Jean Claude

Les commentaires sont fermées.