Flash
Préc Suiv

Resaky ny mpitsimpona akotry : tsy mampino ny hagagan’ireo antoko pôlitika

Mikiakiaka toy ny ankizy voatsindron’ny takolapanenitra, maha te handatsa amina fanontaniana tsy mila valiny hoe “fa ianareo ve gaigy ê?”. Raha misy tompon’andraikitra mikasika ny fivadian-teny sy famitahana toky nomena afaka hanomezan-tsiny ireo mpanolotsaina kaominaly sy ben’ny tanàna nandatsa-bato tamin’ny fifidianana senatera ny faha-29 Desambra lasa teo, dia anisan’ny voalohany ny antoko pôlitika. Anjaran’ny antoko ny famolavolana ny mpikambana ao aminy. Famolavolana inona sy toy inona moa izany? Fampianarana ny adidy sy ny fitsipika mifehy ao amin’ny sehatry ny raharaham-pirenena, fanazarana ny saina hikirakira izany raharaha izany, fikolokoloana ny toetsaina hahatsapa sy hitandro ny fahambonin’ny adidy ao amin’io sehatra io. Mibaribary izao fa maro no nisolafaka, nampiseho ny firefarefan’ny fanahiny amin’ny tany ka tsy nahatohitra ny devoly atao hoe vola ary tsy naharesy ireo teritery ampiasain’i satana manararaotra fahefana eo ampela-tanany. Tsy hita iadian-kevitra noho ny valiny nasehon’ny vato nalatsaka fa maro ireo nivadi-belirano namadika ny antokony, misy aza mpilatsaka tsy nandatsa-bato ho an’ny tenany fa nifidy mpifaninana taminy… Maivana! Tsy mpanao pôlitika fa mpilalao pôlitika! Iza moa no tsy mahafantatra izany, dia ny mpitarika indray ve no hiseho mody rainikoto sa tena mihevitra ny sasany ho bado noho izy? Mendrika azy ny fanontaniana “fa ianareo ve gaigy ê?”.

Ho an’ny mpitazana kosa dia tsy maintsy lasalasa ihany ny saina momba iny fifidianana iny? Vato miafina ahoana no ahafahana maminavina ny safidin’ny tsirairay nalatsany tao anaty vata? Resabe daholo ny momba ny fahamasinan’iny fifidianana iny, elabe mialoha ny fanaovana azy dia efa maro ny fanankianana mikasika ny fanomanana sy fanatanterahana azy io, tsy masina velively mialoha dia efa mantsina. Fandresen-dahatra anefa izao nataon’ny mpikambana sy ny filohan’ny Ceni izao momba ny fiarovana ny fahadiovan’ny fifidianana izay iandraiketiny. Aoka fotsiny ny vokany, samy resy lahatra ny ambany lanitra fa ilay fifidianana tsy nadio ny tompon’andraikitra koa dia maramara na tsy mahavita azy na pentipentina ny sainy. Tsy azo iverenana anefa ny vita, izay no voalazan’ny lalàna, ka aoka samy hionona amin’ny vokatra nivoaka avy ao amin’ny vata na misolitika aza izany vokatra izany, ireo voafidy no voahosotra ho olon-kendry. Aoka tsy hifamendrofendro ka hifamangy fahoriana. Samy mihoby fa ireo ny an’ny tena.

Léo Raz

Les commentaires sont fermées.