Flash
Préc Suiv

Raharaha kidnapping Toamasina : niely ny feo fa novonoin’ireo mpaka an-keriny i Arnaud

Raharaha kidnapping Toamasina : niely ny feo fa novonoin’ireo mpaka an-keriny i Arnaud

 Nahoraka tao an-drenivohitry ny faritra Atsinanana, omaly fa novonoin’ireo mpaka an-keriny koa i Arnaud. Voalaza anefa fa niezaka nifampiraharaha tamin’ireo jiolahy ny fianakaviany…

 

Mbola mitana ny sain’ny mpanara-baovao ny raharaha fakana an-keriny an’i Annie sy Arnaud tao Toamasina. Hatry ny omaly kosa, niely ny feo manerana ny renivohitr’i Toamasina fa novonoin’ireo mpaka an-keriny i Arnaud. Efa nampiomana ny ray aman-dreniny rahateo ireo jiolahy ny faramparan’ny volana desambra teo fa hotapahin’izy ireo ny lohan’i Arnaud rehefa tsy manome ny volabe takin’ireo jiolahy ny fianakaviany.

Tetsy ankilan’izany anefa, niezaka nifampiresaka tamin’ireo mpaka an-keriny hatrany ny fianakaviany momba ity raharaha ity sy ny fomba ahafahana mandoa ny vola takin’izy ireo.

Nangataka tamin’ireo jiolahy mba hifampiresaka amin’i Arnaud anefa ny fianakaviany, saingy tsy nety nanome mihitsy ireo jiolahy. Teo no nipetraka ny ahiahin’izy ireo fa mety efa novonoin’ireo jiolahy i Arnaud.

Rehefa nanontaniana ny momba ity vaovao ity kosa ny tonian’ny mpampanoa lalàna dia nandiso izany.

Mbola manjavozavo tanteraka, araka izany, ny momba an’i Arnaud.  Tsy fantatra hatreto na maty na velona izy raha efa novonoin’ireo jiolahy kosa i Annie anabaviny.

Tsiahivina fa tafakatra 20 ireo efa naiditra am-ponja, izay voasaringotra amin’ity raharaha ity.

J.C

Les commentaires sont fermées.